Johnny Rijaniana

"Matoa mandray anjara dia vonona "


  • Talata 02 Jolay 2024

Nivoaka tamin'ny fahanginany ny filoha mpitantana ny Disciples FC.

Zanatany ao Betafo mihitsy moa izy ary dia nofinofiny hatrizay ny mba ahita ekipa avy any handrombaka ny tompondakan'i Madagasikara toy izao. Efa tompondakan'i Madagasikara ihany ny Disciples FC vehivavy fa hafa raha samy hafa ity indray mitoraka ity, hoy izy. Tsy mora fa dia tratra ihany ny tanjona hoy i Johnny Rojaniana raha niatrika ny mpanao gazety. Mazava moa ny teniny fa matoa natao hoy izy dia efa mivonona amon'izay rehetra hiseho. Tsy mihambo mahavita tena anefa izahay, hoy izy, fa miandra ireo rehetra malala-tanana sy tia ny baolina kitra hanohana. Nisaorany manokana moa ireo manampahefana nanatrika toa an-dramatoa lehiben'ny Distrika sy ny solombavambahoaka ary ireo vahoaka marobe nahafoy vola sy fotoana. Ny fety lehibe nasehon'ny Betafo iray vohitra hoy izy dia fanoitra lehibe ho an'ny ekipa. Nasiany teny koa anefa no mety ho endriky ny Disciples hiady ny tompondakan'i Afrika ary nilaza izy fa tsy miankina aminy ny tokony hiantsoana mpilalao hafa hanampy fa apetrany tanteraka amin'ireo tomponandraikitra ara-teknika izany.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT