kolontsaina

Jerry Marcoss Harafitra ho sarimihetsika ny tantaram-piainany


  • Zoma 23 Oktobra 2020

20 taona teo amin’ny habaky ny zavakanto indrindra ny hira izao i Jerry Marcoss sy ny tarika izay tarihiny.

 

Mpanakanto sady mpamorona izy ary mpihira ihany koa. Tsy handalo fotsiny izany dingana izany, fa hisy ny sarimihetsika amin’irony sokajy “comédie musicale” irony isany ho tsangambato lehibe hanamarika io faha-20 taona io ankoatra ny rakin-tsary niarahany tamina mpanakanto maromaro, izay efa hita eny amin’ny fahitalavitra sy amin’ny YouTube. Harafitra ho sarimihetsika “Mafoaka” ny tantaram-piainan’i Jerry Marcoss. Hanatontosa izany ny trano mpamokatra Scoop Digital. Tanàna maromaro no hanaovana ny fandraketana ny sary. Hatomboka ao Nosy-Be, nosy manitra sady tanànan’ny fizahantany izany. Efa any an-toerana i Jerry Marcoss sy ireo mpilalao hampiaina izany sarimihetsika malagasy izany. Haharitra telo herinandro eo ny fanodinana ity sarimihetsika ity. Tsy vao izao i Jerry Marcoss no ho mpilalao fototra anaty sarimihetsika fa efa isany nandray anjara tao amin’ny “Jalôko”, niaraka tamin’ny mpanakanto Onja, novokarin’ny Scoop Digital ihany koa izy ; sarimihetsika nivoaka ny taona 2009.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT