Misy zavatra iray tsara ho fantatrareo. Ireo izay mahalala ny tantaran’i Madagasikara, ny tantara tena izy fa tsy ny tantara ôfisialy, dia mahafantatra fa ity taona 2018 ity dia fotoana tokony hamerenana ny hasim-piandrianan’ny Fanjakana Malagasy very sy novonoina ary nofafàna tamin’ny fanjanahantany.
“Adidintsika ankehitriny, indrindra izay manantena hitondra ny tany sy ny fanjakana no manatanteraka izany ka asakasak’izay mitady hitsivalana amin’izany fa “Masina ny Tanindrazana“.” Nanan-daza io tenin’ny filohan’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana, Jean Eric Rakotoarisoa, ny taona 2018 io, raha avy nanambara ny voka-pifidianana filoham-pirenena, fihodinana voalohany tetsy Ambohidahy. Maro no nihevitra tamin’izany fotoana izany fa ho isan’ireo hanaiky ho singa iray hanala ny firenena ao anatin’izay mbola fangejan’ny mpanjanaka izay ity olom-panjakana ity. Anjaran’ny rehetra moa no mandinika raha nanao izay tokoa izy ankehitriny satria dia maro ireo olompirenena notsarainy ho nandray an-tendrony io teny nataony io taorian’izay. Hita indray ho naeliny tao anaty tambazotran-tseraserany ny faran’ny herinandro teo moa ny hoe “Hajao Andriamanitra! Hajao ny Razanao! Aza manao izay mahatezitra an’Andriamanitra sy ny Razanao!” Asa indray aloha izay tena tiany ho tenenina fa dia aleo samy misaintsaina aloha mba tsy ho voatsara ho mandray an-tendrony fanindroany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.