kolontsaina

Jean Emilien Nodimandry teo amin'ny faha-54 taonany


  • Alakamisy 06 Aprily 2017

Nodimandry tampoka teo amin'ny faha-54 taonany omaly alarobia 5 aprily tamin'ny 4 ora maraina i Jean Emilien Rakotonandrasana na i Jean Emilien no nahafantarana azy teo amin’ny sehatry ny zava-kanto.

 Voalaza fa nanana olana ara-pahasalamana teo amin’ny lafiny fikorianan’ny ra ny tenany, ka izay no mety ho nitarika ny fahafatesany. Nahafantarana ity mpanakanto avy any amin’ny faritra Fianarantsoa ity ny fahaizana mitsoka farara sy ftendreana kabaosy, izay tena nampiaiky volana ny maro mihitsy. Na teto Madagasikara na tany andafin’ny riaka dia samy nitolagaga avokoa. Ny taona 1982 izy no tena nanomboka fantatra teo amin’ny tontolon’ny zava-kanto saingy vao 5 taona monja izy dia efa niavaka sy hita fa manana talenta manokana, ka nanomboka nandray anjara tamin’ireny fifaninanan-kira tany an-tsekoly ireny, ary nivoatra tsikelikely ka lasa lavitra tokoa, satria nahafahany nanandratra ny kanto Malagasy tany ivelany mihitsy izany. Nisongadina ny nitondrany avo ny voninahitr'i Madagasikara tamin’ny nahazoany ny medaly volamena teo amin'ny fifaninanana "Hohner harmonica", fiadiana ny ho tompondaka eran-tany teo amin'ny fitsofana farara tamin'ny taona 1991. Nasaina manokana hanokatra ny fizarana voalohany ny fampisehoan’ilay mpanakanto malaza Amerikanina Carlos Santana tany Bercy Paris  ny taona 1992, ka tsy nisy tsy gaga tamin’ny fahaizany nampiteny ny farara. Fitaratry ny fiarahamonina i Jean Emilien ary namela mamy ho an’ny tanindrazana. Hatramin’ny omaly dia mbola eny amin’ny tokantranony eny Ambohijafy Itaosy ny vatana mangatsiakany. Ny gazety Tia Tanindrazana dia maneho fiombonam-po sy fiaraha-miory ary mirary fiononana ho an’ny fianakaviany manontolo.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

  • Mpanakanto Shyn
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

"Mbola tsy hita ny hazavana"

  • Famelomana ireo tantara
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

an-tsary fahiny

  • Fanavaozana ny Firenena
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

« Mila mifaka amin’ny «

Hijery ny tohiny
FTT