kolontsaina

Jaojobe Eusèbe 50 taona niakarana an-tsehatra


  • Alatsinainy 12 Oktobra 2020

Feno 50 taona omaly alahady 11 oktobra 2020 niakaran` i Jaojoby an-tsehatra. Tsy zovina amin'ny maro intsony i Jaojoby, fa anisan'ireo mpanakanto manana ny maha izy azy sy manana ny lazany eto Madagasikara.

 

 "50 taona lasa izay no nihirako voalohany tamin'ny microphone (micro), niaraka tamin'ny orkestra, ny 11 oktobra 1970, nandritry ny fankalazana ny fetim-pirenena 14 oktobra tao Antsiranana tamin'izany fotoana izany. Isaorana ny Ray izay any an-danitra, ny Razana, ny tanin'i Madagasikara ary ny mpankafy nahatonga ny mpanakanto amin'ny toerany misy azy ankehitriny", hoy Jaojoby. Nambarany hatrany fa “adidiko ny mamelo-maso ny vakokan'ny Razako amin'ireny hirany mivolagna raha anaty sikina”. Manana ny lanjany tokoa moa ity mpanakanto ity ho an`i Madagasikara. I Jaojoby dia fantatry ny maro amin` ny fivoizany ny mozika salegy.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT