kolontsaina

Jacques Rabemananjara Hampahafantarina ny sanganasany


  • Sabotsy 01 Septambra 2018

Mba hahafahan’ny taranaka faramandimby mahafantatra an’i Jacques Rabemananjara mpitolona mafana fo sy anisan’ny mpamorona ny antoko MDRM dia hampahafantarina mandritra ny andro maromaro ao Toamasina ny fiainany sy ireo boky nosoratany.

 

 

 

 Ny talata 4 septambra ho avy izao no hatomboka ao amin’ny Librairie Fakra-Joffre Toamasina izany. Hikarakara ny hetsika Rtoa Dominique Ranaivoson, mpampianatra any amin’ny anjerimanontolo any Lorraine Frantsa izay marihina manokana fa nanoratra ny boky mirakitra ny fiainan’ity olomangam-pirenena ity. Manohana azy akaiky ireo manampahaizana avy atsy Afrika Atsimo, Côte d’Ivoire, Gabon, Alemana, Frantsa, Belzika, Hongrie, Angletera…hahafahana mamelona indray ny anaran’ny olo-malaza tahaka itony izay marihina fa sady mpanao politika ihany koa. Arahin-dRtoa Dominique Ranaivoson fanaovan-tsonia momba ny politikan’i Jacques Rabemananjara sy ny poezia nosoratany izay tsiahivina fa mbola arahina dinika marobe toy ny hatao ao amin’ny Alliance Française Toamasina. Fitsangantsanganana no hamaranana ny hetsika amim-pomba ofisialy. Hisy ihany koa moa ny dinika mandritra ny roa andro hatao ao amin’ny oniversiten’i Barikadimy Toamasina.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT