kolontsaina

Iray volan’ny teny Malagasy Olona 50 no nandray anjara tamin’ny fifaninanana kabary


  • Zoma 07 Jona 2019

Hankalazaina amin’ity volana jona ity ny iray volan’ny teny Malagasy. Tsy diso anjara amin’izany ny fikambanana Ny Andraina izay miezaka manome lanja ny soatoavina Malagasy eto amintsika.

 

 

 

 Fifaninanana mikabary  izay nandraisan’ireo olona 50 isa manerana ny faritra Antehiroka no nentin’izy ireo nanamarihana izany ny alarobia teo hifarana ny 13 jolay ho avy izao. Ankoatra ireo dia ankizy miisa efatra ihany koa no nandray anjara teo ambany fiahian’Atoa Todisoa Andriamampandry, kandida solombavambahoaka tao anatin’ny boriborintany fahenina. Tanjon’ny fikambanana ny hamohazana indray ny teny Malagasy ao am-pon’ny tsirairay manoloana ny firoboroboan’ny teknolojia ankehitriny. Tsiahivina fa ny mponin’Antehiroka ihany hatreto no mikabary vao maraina rehefa misy maty ao an-tanàna, antony manosika ny fikambanana Ny Andraina hanome lanja hatrany ny soatoavina Malagasy. Mpitsara efatra no hitsara ny fifaninanana. Anisan’ny jerena ny fomba fitafy, ny tsanganana, ny teny fanolorana sy ny teny famaranana ary ny vontoatiny.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT