kolontsaina

Iray volan’ny ankizy Ankizy miisa 300 no notolorana fanomezana omaly


  • Alakamisy 01 Jona 2023

Hankalazaina mandritra ity volana jona ity ny iray volana ho an’ny ankizy. Tsy handalo fotsiny ihany izany ho an’ny vadin’ny filoha amin’ny alalan’ny fikambanana Fitia sy ny Ministeran’ny mponina.

Ankizy miisa 300 beazina ao amin’ny ivon-toerana Mitsinjo(seba) ao Isotry notolorana fanampiana omaly. Tonga nanotrona sy nanome voninahitra ny fotoana ny mpiraki-draharaha eo anivon'ny Masoivoho Sinoa monina eto Madagasikara. Vary, menaka, savony, kidoro, lamba fitafy sy fitaovam-pianarana maro isan-karazany no natolotra azy ireo tamin’izany niampy fizaham-pahasalamana maimaim-poana ho an’ireo fianakaviana am-polony monina ao.Tonga nanome voninahitra izany ny Minisitry ny Mponina Soafilira Princia sy ireo solontenan'ny vadin'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina avy amin'ny fikambanana Fitia.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fanolorana ireo fanampiana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT