kolontsaina

Iray volan’ny teny Malagasy Hanao hetsika mitety faritra ny FIMPIMA


  • Talata 23 Mey 2017

Hanamarika ny iray volan’ny teny Malagasy ny Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy (FIMPIMA) tarihin’i Andriamboavonjy Hanitra ny 3 jona ho avy izao.

  Alin’ny mpikabary izay hotanterahina etsy amin’ny Carlton Anosy no hisantarana izany amin’io andro io manomboka amin’ny 8 ora alina. Hizara roa miavaka tsara ny fandaharam-potoana  raha ny fanazavan’ny filohany Andriamboavonjy Hanitra.  Sora-kanto no hanokafana ny lanonana izay horavahan’ny dihy sy  fampisehoana ireo karazana fitafiana Malagasy. Hanomboka amin’ny 10 ora alina kosa ny korana mandrapaharainan’ny andro, izay horavahin’ny filatroana… Fanokafana ihany ireo rehetra ireo ho an’ny foibe fa hanao hetsika avokoa ny any amin’ny Faritany raha ny fanazavan’izy ireo tamin’ny mpanao gazety omaly. Anisan’izany ny eto Antananarivo izay horavahin’ny fifaninanana kabary manomboka ny 7 jona ka hatramin’ny 24 jona ho avy izao. Hitohy any Toamasina izany ny 24 jona, hampiseho ny maha izy azy ihany koa ny any Antsirabe, hetsika hipaka hatrany Fianarantsoa, Mahajanga ary Toliara izay efa misy FIMPIMA avokoa. Nomarihiny fa efa 54 taona nijoroana ny  FIMPIMA ankehitriny ary efa mahatratra 174 isa ny toerana fampianarana eto amintsika misy sampana 75 isa sy Faritany fito. Ankoatra izay ny any ivelany izay tsy mitsaha-mitombo.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana KaratĂ©
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT