IRAY VOLAN'NY ANKIZY

Mampahafantatra ny zo tokony hositrah'izy ireny ny TAM


  • Alarobia 04 Jona 2025

Homarihina sy hankalazaina mandritra ity volana Jona ity ny iray volan'ny ankizy.

Tsy mipetra-potsiny ny fikambanana Tanora Actif an'i Madagasikara na ny TAM manoloana izany fa miezaka mampahafantatra ireo ankizy mpianatra ny zo tokony hositrahin'izy ireny. Nitety sekoly maro izy ireo nanomboka omaly Talata 03 Jona, notarihin'ny filoha nasionaliny Razafimandimby Rija Ethel. Nampahafantarina ireo mpianatra tamin'izany fa manana zo hisakafo sy hianatra izy ireny. Manana zo hotsaboina ihany koa raha tojo tsy fahasalamana, manana zo hilalao....Tsy nijanona tamin'ny fanentanana sy fampianarana ireo ankizy mpianatra ny fikambanana fa narahiny fizarana fanomezana koa izany ho fanomezana fahafaham-po azy ireo. Mpianatra am-polony no nisitraka izany, hetsika sosialy mbola hitohy hatrany mandritra ity volana Jona 2025 ity. Tsiahivina moa fa ankoatra ny ankizy sahirana sy ny zokiolona ary ny vehivavy mananontena dia miezaka manampy ny tanora amin'ny asa fihariana ihany koa ny fikambanana TAM.
Pati
Légende : Miezaka manasoa ny mpiara-belona hatrany ny Tanora Actif an'i Madagasikara !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT