Iray Fy’Art

Hiaka-tsehatra eto Antananarivo


  • Zoma 07 Jona 2024

Hiaka-tsehatra eto Antananarivo indray ireo mpilalao tantara amin’ny onjam-peo, Iray Fy’Art,

hoy ny fampitam-baovaon’izy ireo. Hotanterahina etsy amin’ny salle d’œuvre, Ekar Trinite Masina, Mangasoavina izany ny sabotsy 8 may izao, iarahana amin’ny Sefada - FET. Hitohy ny alahady 9 jona etsy amin’ny salle d’œuvre, Ekar St Etienne Ambanidia izany. Karakarain’ny FET, Ekar Notre Dame de la Paix Andrainarivo. Samy hanomboka amin’ny 2 ora ireo seho in-droa miantoana ireo. Hetsika nataonay ho fanohanana ireo tanora FET hiatrika ny fihaonambe hatao any Antsiranana izao araka ny efa tarigetranay amin’ny fanohanana sy fanaovana asa soa, hoy ny lehiben’ny tarika Iray Fy’Art, Niravo. Nambarany fa sady fialamboly no fanabezana ary fanomezan-kasina ny kanton’ny tantara ny seho an-tsehatra entin’izy ireo amin’izany. Maneho ny fiainana an-davan’andro sy ny fifanjevoan’ny resa-pitiavan’ny tanora ary koa ny saranga miaraka amin’ny trangam-piarahamonina ny tantara lalaovinay, hoy ihany izy. Hifanakaiky kokoa amin’ny mpankafy izy ireo amin’io fotoana io ary ahitana an-dRakoto, Faly, Synèse, Niravo ary i Antsaravaka. Handrindra ny lafiny tekinika sy ny fanentanana kosa, Bruno Rakotomalala. Tsiahivina fa hihazo ny any Faratsiho izy ireo ny 16 jona izao, izay fetin’ny ray, miaraka amin’ny CEG any an-toerana, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT