kolontsaina

IKM Antsahavola, ONG Lalana Hiara-kiasa amin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena


  • Sabotsy 20 Mey 2017

Sonia telo sosona no indray notontosaina tetsy amin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena afaka omaly.

Lohalaharana ny an’ny Ivontoerana Kolontsaina Malagasy etsy Antsahavola, teo koa ny Ong Lalana, notronina fikambanana iray izay hampianatra momba ny fahaiza-mitarika ireo mpianatra sy mpampianatra eto amintsika samy hotohanan’ity minisitera ity avokoa. Ny hahafahana mampivoatra sy mampivelatra ny sehatry ny fanabeazana eto amintsika no antony, araka ny fanazavan’ny minisitra Paul Rabary  ho tombontsoan’ny zaza Malagasy. Ho an’ny ONG Lalana manokana dia ny fanofanana ireo olona manana fahasembanana hahafahan’izy ireny manamora ny fifandraisany amin’ny mpiara-belona no tanjona, anisany ny mpamily taksibe sy ny mpanampy azy hahafahan’izy ireny mivezivezy malalaka….Ho an’ny IKM indray dia ny mba hahafahana manatsara ny kolontsaina eny anivon’ny sekoly no tanjona, tetikasa hisandrahana manerana ny sekoly maro. Mikasika ilay fahaiza-mitarika indray  dia fantatra fa  hifidy sekoly hahafahana manatanteraka izany ny tompon’andraikitra mba hananantsika olona feno fahendrena sy lohalaharana amin’ny fahaiza-mitarika. Hanomboka tsy ho ela ny asa.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana KaratĂ©
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT