kolontsaina

IKM Antsahavola 5 taona nampiroboroboana ny kolontsaina Malagasy


  • Zoma 20 Aprily 2018

Feno dimy taona sahady ny Ivon-toeran’ny Kolontsaina Malagasy (IKM) etsy Antsahavola. Omaly no nanokafana ny fankalazana tamim-pomba ôfisialy notarihin’ny Minisitry ny kolontsaina sy ny fiarovana ny vakoka.

 

Nambaran-dRabenatoandro Andry, filohan’ny komity mpanatanteraka eo anivon’ny IKM nandritra izany fa anisan’ny antom-pisian’izy ireo ny hampiroborobo ny kolontsaina Malagasy. Tafiditra ao anatin’izany ny fanomezan-danja  ireo karazana kilalao sy fomba amam-panao Malagasy izay tokony ho fantatry ny taranaka faramandimby ankehitriny. Eo ihany koa ny resaka vaky boky amin’ny alalan’ny fametrahana ny médiathèque… Diso variana loatra any amin’ny firoborobon’ny teknolojia avo lenta mantsy ny ankizy sy tanora ankehitriny hany ka tsy maintsy tantanana sy hampiana. Hitohy anio zoma sy rahampitso Sabotsy ny hetsika izay misokatra ho an’ny rehetra raha mandritra ny herin-taona kosa no hanaovana ny fankalazana. Hisy ohatra amin’ity andro anio ity ny fandraisana ireo mpianatra avy amina lisea vitsivitsy eto an-drenivohitra ho fampahafantarana ny IKM sy hahafahan’izy ireo mihaona mivantana amin’ireo mpandraharaha. Hitohy amin’ny fitantarana angano ho an’ny ankizy izany rahampitso sabotsy iarahana amin’ny mpanoratra ny Eja raha eo ihany koa fampisehoana lamaody miaraka amin’ny Modus Mode.

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT