IKAMBANANA NY AMPINGA

Namoaka mpikabary sangany 400 mianadahy mianaka


  • Alakamisy 19 Jona 2025

Namoaka mpikabary sangany sy matihanina miisa 400 mianadahy mianaka

ny fikambanana Ny Ampinga, vokatra nomen'izy ireo ao anatin'ny fanamarihina ny iray volan'ny teny Malagasy izay hankalazaintsika mandritra ity volana Jona ity. Isan’ny tantsoroka lehibe avy amin'ny fikambanana ara-kolontsaina, hoentina mampiroborobo ny teny malahgasy, hoy ny Filohan’ny fikambanana Atoa Mitahiry Fahendrena izao hetsika izao ho fanomezana maimaim-poana ny fahalalana ho an'ny Malagasy. Andiany faha-17 izy ireo, misalotra ny anarana “Voromahery” ka 73 taona no zokiny indrindra raha 8 taona ny zandriny. Teny amin’ny kianja maitson’Analamahitsy no namoahana azy ireo. Amin’ny volana Septambra ho avy izao indray no fidiran’ny taom-pianarana manaraka ho an’ireo izay liana amin’izany. Ankoatra ny fampiroboroboana ny teny Malagasy eny ifotony moa dia anisan’ny hangatahin’ny fikambanana handikana manontolo ny lalana eto amin'ny firenena ho amin’ny teny Malagasy.
Pati
Legende : Ireo mpianatra navoaka teny amin’ny kianja maitson’Analamahitsy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT