kolontsaina

IKALA STEM Manampy ny vehivavy ho tia ny taranja siantifika


  • Talata 18 Jona 2019

Vitsy ireo vehivavy liana amin’ny taranja siantifika eto amintsika. Amin’ny ankapobeny, lehilahy avokoa no tena mirona sy milona bebe kokoa ao anatin’izany, antony nanosika ny fikambanana Ikala Stem hanatanteraka atrikasa etsy amin’ny le pavé Antaninarenina nanomboka, omaly.

 

 

 

 

Fikambanana iray avy any Etazonia antsoina hoe : lemur love no mifanome tanana aminy amin’izany ao anatin’ilay lohahevitra hoe : “raiso an-tanana ny hoavinao”. Anisan’ny hohazavain’ny roa tonta ao ireo karazana asa azon’ny vehivavy misafidy ny taranja siantifika hatao aorian’ny fahavitan’ny fianarany. Eo ihany koa ireo karazana traikefa sy fahaiza-manao tokony hananan’izy ireny. Mpandray anjara manodidina ny 50 isa no hahazo tombony amin’izany. Araka ny fanazavan-dRtoa Seheno Andriantsarazala, sekretera jeneraly eo anivon’ny fikambanana Ikala Stem dia asa miompana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana no nozarain’izy ireo omaly izay mbola hitohy anio sy rahampitso.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT