kolontsaina

IFM sy ny SAR’NAO Hanofana ny mpaka sary


  • Alatsinainy 28 Aogositra 2017

Vonona ny hitondra fampandrosoana eo amin’ny sehatry sary pika eto amintsika Atoa Fidy Ramanahadray,

tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Sar’nao sy ny “Institut Français de Madagascar” etsy Analakely. Nihaona tamin’ireo  mpaka sary  mivantana izy ny faran’ny herinandro teo nanazava ny momba ilay  tetikasa fotografika izay tsy mitovy amin’ny fomba fakana sary tsotra intsony fa ilana soratra sy fikarakarana manokana mihitsy. Fivoarana efa hampiasain’ireo mpaka sary manerana izao tontolo izao izany ka tsy tokony ho tompon-trano mihono intsony isika mpaka sary eto Madagasikara, hoy izy. Hanome fiofanana mpaka sary momba io tetikasa io izy ireo izay efa tafiditra sahady ao anatin’ny fankalazana ny iray volan’ny sary homarihina ny volana novambra ho avy io. Hanomboka ny 6 ka hatramin’ny 10 novambra ho avy izao ny fiofanana etsy amin’ny IFM Anosy, mitondra ny anarana hoe :  Tsiry. Antsoina ho avy handray anjara ao avokoa ny mpaka sary Malagasy rehetra. Anisan’ny fepetra takiana manokana amin’ny tsirairay  kosa ny fahaizana mifehy ny tenim-pirenena vahiny Frantsay.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT