kolontsaina

Hosodoko ao Morondava Hifarana rahampitso ny fampirantiana


  • Alarobia 20 Jolay 2022

“Telo andro ho an’ny hosodoko eto Morondava, fanadratana ny kolontsaina sy fanohanana ireo mpahay sary hosodoko”.

Io no hetsika karakarain’ny fitaleavam-paritry ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina any Morondava nanomboka omaly ary tsy hifarana raha tsy rahampitso 21 jolay, hoy ny fampitam-baovao voaray. Ankoatran’ny fanomezana lanja ireo mpanakanto dia azo trandrahana tsara ho fanatsarana ny tontolon’ny fizahantany ihany koa ny hosodoko, hoy ny fanentanana sy fanazavana. Hatreto anefa dia mbola isan’ny fitarainan’ny ankamaroan’ireo mpanao hosodoko eto Madagasikara ny fahasahiranan’izy ireo mandafo tabilao iray. Misy amin’izy ireo no tsy mahalavo afa-tsy tabilao miisa 1 na 2 ao anatin’ny 1 volana ary misy aza am-bolana maro hatramin’ny 6 volana any mihitsy vao mahita mpanjifa, raha ny fanadihadiana natao. Ho hita eo araka izany ny ho fivoaran’ity sehatra iray ity aorian’izao fampiratiana izao, raha tsy hiresaka ny ao Morondava manokana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT