Horonantsary «Sangodim-panina» andiany faharoa

Mbola ho hita ny 80%n’ireo mpilalaon’ny andiany voalohany


  • Talata 27 Mey 2025

Hanomboka amin’ny faran’ny volana jona 2025 izao ny fanodinana ny horonantsary

Sangodim-panina» andiany faharoa, araka ny fampitam-baovaon’i Ny Antsa Herizo, izay mpilalao fototra tamin’ny andiany voalohany no manampy ny lafiny ara-tekinika amin’izao andiany faharoa izao. Mbola ho hita anaty tantara ny 80%n’ireo mpilalao tamin’ny andiany voalohany, hoy izy, ary manodidina ny 2 volana no hanodinana ny andiany manaraka ity. Tsy maintsy hisy koa ireo mpilalao vaovao, izay tsy ho vaovao amin’ireo mpijery sinema malagasy ihany koa nefa. Mety hisy koa fandraisana ireo mpilalao manan-talenta hafa heverina ho afaka hiditra ao anatin’ny tantara satria horonantsary somary manana ny toerany izay izy io. Somary fohy ity andiany faharoa ity satria misy fizaràna miisa 60 eo, raha toa ka 150 ny teo alohany. Efa nomen’ny mpanoratra, ny tompon’ny feon-kira ny alalana rehetra. Mamarana ny fandrindrana an-tsehatra na «scénario» sy mamokatra sisa izao no atao. Mbola i Germain Andriamanantena no mpanatontosa. Izy ihany koa no mpandrindra na «régisseur» satria izahay koa efa tsy dia mila fehezina be hoe manao ahoana intsony tahaka ny tamin’ny andiany voalohany, tamin’ireny mbola tanaty fahatanorana moa. Tsy atahorana hampiova ny kalitaon’ny tantara ny isan’ny fizaràna ho 60 satria tamin’ny fotoan’andro mbola somary klasika ny fandrindrana an-tsehatra. Ny ankehitriny somary mahazo toerana kokoa ny resaka mangitakitaka na «suspens» dia nosafidiana izay mba hampafonja kokoa ny tantara, hoy hatrany i Ny Antsa Herizo.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

  • Mpanakanto Shyn
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

"Mbola tsy hita ny hazavana"

  • Famelomana ireo tantara
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

an-tsary fahiny

  • Fanavaozana ny Firenena
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

« Mila mifaka amin’ny «

Hijery ny tohiny
FTT