Horonantsary maneho fitanjahana

Nampahatsiahy ny lalàna ny zandary


  • Alakamisy 01 Febroary 2024

Nampahatsiahy ho an'ilay mpanakanto iray vehivavy manaparitaka horonantsary

heverina ho fialam-boly kanefa sokajiana ho mamoafady omaly ny avy eo anivon’ny fiadidiana ny zandarimaria eto Antananarivo na CIRGN Antananarivo fa voararan'ny andininy faha-25 ao amin'ny lalàna faha 2014-006 ny 17 Jolay 2014 mikasika ny ady amin'ny heloka an'habaka ireny nataon’ilay mpanakanto ireny. Misy fandrarana mikasika izany koa ao amin’ny andininy faha 330 ao amin'ny fehezan-dalàna famaizana. Ny horonan-tsary mampiseho fitanjahana na ny ampahany, manimba ny soatoavina sy ny hasin'ny vatana sy fomba malagasy. Eo imason'ny ankizy sy atao hitan'ny ankizy. Tandremo! Samy henjehin'ny lalàna avokoa na ny manaparitaka horonantsary na ilay nanao ny horonantsary. Malalaka ny fampiasana tambazotran-tserasera, malalaka ny fanehoana fomba fitafy fa misy fetrany kosa. Aoka isika samy handray andraikitra amin'ny fanabeazana ny olompirenena ho vanona, indrindra ireo ankizy taranaka antoky ny hoavy, hoy hatrany ny zandary.

Nisy moa ny andron’ny omaly ny fialan-tsiny sy fifonana mivantana nataon’io mpanakanto io ny andron’ny omaly noho ny fahatsapany fa tsy mendrika ny fihetsika sy ny zavatra nataony.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT