kolontsaina

HORONANTSARY GISA MAINTY Tena nankafizin’ny mpijery


  • Zoma 21 Aprily 2017

Fahombiazana tanteraka no azon’ny tranom-pamokarana Scoop digital nandritra ny famoahany voalohany ilay horonantsary “Gisa mainty” teto an-drenivohitra tamin’ny Alatsinain’ny Paska lasa teo.

.

Vao maraina, tamin’ny 7ora sy sasany  dia efa nanomboka ny filaharana tetsy amin’ny Ritz, tamin’ny 9 ora ny  tao amin’ny Roxy. Voatery  nampiditra in-telo avy ny tao amin’ny Ritz sy Rex ary in-droa ny tao amin’ny Roxy. Mbola  marobe  ireo niverim-potsiny noho ny filaharana lavareny. Efa tamin’ny 6 ora hariva vao nandeha ny fidirana fahatelo nefa dia maharitra 80 mn mahery no faharetan’ny tantara. Afa-po tamin’ity tantara iray manatsikafona ny fanao ratsin’ireo mpanao politika ity ny mpijery tamin’ny ankapobeny. Vao teo  amin’ny teny fampidirana  dia efa tafita ny hafatry ny mpanoratra ka nihoraka avokoa ny mpijery. Anisan’ny tena nanitikitika ny mpijery ny zavatra iainany amin’ny andavanandro ateraky ny resa-politika eto amin’ny firenena. Hitohy any amin’ny faritra ny fampahafantarana ity sarimihetsika ity. Azon’ireo fikambanana samihafa atao tsara koa ny manao azy ho hetsika fitadiavam-bola.

 

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana KaratĂ©
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT