kolontsaina

Horonantsary Gisa Mainty II Nahazo ny anjarany ny tetezamitan-dRajoelina


  • Talata 03 Aprily 2018

Nahafa-po sy nampiala-voly tanteraka ireo tonga nanatrika tetsy amin’ny Roxy sy Rex ary Ritz omaly alatsinainin’ny paska 2018 ny nijery an’ilay horonantsary novokarin’ny Scoop Digital nampitondrainy ny lohateny hoe : Gisa Mainty II.

 

 Toy ny tamin’ny fandefasana ny Gisa Mainty I tamin’ny taon-dasa ohatran’izao ihany dia feno hipoka tanteraka ireo efitrano 3 ireo omaly tamin’ny fotoana rehetra nandefasana ny horonantsary  na tamin’ny 1ora sy sasany  na tamin’ny 4 ora tolakandro. Toy ny tamin’ny andiany I ihany koa dia mbola nabaribarin’ity horonantsary ity indray  ireo  fomba fanao mamohehitra fanaon’ny mpanao politika Malagasy eo amin’ny sehatry ny fiatrehana fifidianana izay ho filoham-pirenena na dia nahazo ny anjarany manokana aza tao amin’ity andiany faha-II ity ny fitondrana tetezamita notarihan’i Andry Rajoelina, tamin’ireo fomba fanaony toy ny fanagadrana fahatany olona tsy mitovy firehana aminy, ny fitrandrahana sy fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena toy ny vatosoa, ohatra, ny faneriterem-bahoaka hanaraka izay hevitra avoakany nefa kosa nabaribarin’ity horonantsary ity fa tsy hay tohaina ny hetsi-bahoaka tsy be teny firy rehefa any am-parany.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT