kolontsaina

Horonantsary GISA MAINTY Hanatsikafona ny paikady maloton’ireo mpanao politika


  • Talata 04 Aprily 2017

Miroso hatrany amin’ny famokarana horonantsary mahaliana ny mpankafy ny tranom-pamokarana Scoop digital amin’izao fotoana izao. Raha ny resa-politika no tena malaza ankehitriny dia tsy tara izy ireo.

Anisan’ny hanehoany izany ny fivoahan’ilay horonantsary Gisa mainty 2018 izay haseho voalohany etsy amin’ny Rex, Ritz ary Roxy Analakely ny alatsinain’ny paska ho avy izao. Natao indrindra hampialana voly ny fianakaviana mandritra ny fety izy io nefa koa natao hisintonana lesona hahafahana miatrika ny raharaham-pirenena. Anisan’ny mpilalao fototra ao i Francis Turbo, Randafy, Lezaka ary Ralay izay tsy zoviana amintsika intsony. Sady mahatsikaiky  no mampalahelo ny tantara amin’ny ankapobeny. Mipetraka amina toerana  raim-pianakaviana iray miahy tena mantsy i Francis Turbo izay miahy sy mamelona irery ny zanany vavy tokana nandranto fianarana teto an-drenivohitra. Rehefa leon’ny  hirifirim-piainana tany ambanivohitra ny lehilahy dia  niakatra teto an-drenivohitra nivarotra ilay gisa mainty tokana mba nananany hatao saram-pianaran-janany  kinanjo sendra vondrona politika iray izay tena fetsy tokoa.

 

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

  • Mpanakanto Shyn
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

"Mbola tsy hita ny hazavana"

  • Famelomana ireo tantara
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

an-tsary fahiny

  • Fanavaozana ny Firenena
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

« Mila mifaka amin’ny «

Hijery ny tohiny
FTT