Mitombo isa ireo mpanoratra Malagasy vao erotrerony. Iray amin’ireo manomboka mametraka ny dian-tanany i Hoby Rasolofoarimasy, izay hamoaka ny sangan’asany voalohany dia ny boky amboaran-tononkalo “Vikina”,
hampahafantarina amin’ny fomba ofisialy etsy amin’ny AFT Andavamamba ny tolakandron’ny alarobia 12 desambra izao. Tononkalo 80 isa notsongaina tamin’ireo asa sorany marobe nanomboka ny taona 2004 hatramin’izao 2018 izao no narafitra ho ao anatin’ny Vikina, ary vao 13 taona monja izy no nanomboka nanoratra raha ny fanazavany. Anisan’ny hafatra lehibe voizin’ny Vikina ny hanentanana ny olona hanao dingana eo amin’ny fiainana na eo aza ny fahasarotana, ary tokony hanana fijery miabo hatrany. Tanjony ny handrisika ny tanora sy ny Malagasy rehetra, indrindra fa ny vehivavy ho sahy hanao dingana dia ilay vikina hanatanterahana ny nofinofy. Hanasongadina izay maha Malagasy izay avokoa ny haingon-tsehatra, ny fitafy, ny mozika. Miara-miasa sy manolo-tanana azy amin’izany rahateo i Ma Randrianalidera fanta-daza amin’ny hai-haingo amam-pitafy ary manome vahana ny maha malagasy. Handravaka ny efitrano amin’io ihany koa ny hosodokon’i Mamy Rajoelisolo. Eo ambany fiahian’ny minisitry ny kolontsaina Eléonore Johasy sy ramatoa Michèle Rakotoson, mpanoratra sady mpanao gazety ny famoahan’i Hoby Rasolofoarimasy ny sangan’asany. Tsara ny manamarika fa tafiditra ao anatin’ireo boky voatsonga handray anjara tamin’ilay fifaninanana “Prix Littéraires” nokarakarain’ny Alliance Française Andavamamba ity boky ity ka amin’ny talata 11 desambra izao no hivaly ny fifaninanana. Santatra am-bavarano ihany izao, hoy i Hoby, fa fanambiny ny hamoaka ny boky ho amin’ny fiteny frantsay sy anglisy. Fiaraha-miasa lehibe hotanterahany miaraka amin’i Mamy Rajoelisolo ny hanambatra ny hosodoko sy ny tononkalo. Manohana ny mpanakanto toy ny mpanoratra tantara, tononkalo ary angano izahay, ary manome sehatra ahafahany maneho ny sanganasany, hoy kosa ny AFT Andavamba izay nanampy betsaka ihany koa an’i Hoby Rasolofoarimasy.
Nangonin’i Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.