kolontsaina

Ho ela velona ny tena mozika tendren’olombelona Nankasitraka ny tarika AmbondronA i Rossy


  • Talata 18 Aprily 2023

Niarahaba manokana ny tarika AmbondronA ny mpanakanto Rossy na fantatry ny maro amin’ny maha depiote ihany koa hoe Rahasimanana Paul Bert,

noho ny fahatontosan’ny fampisehoana nitondra ny lohateny hoe «Arabe» tetsy amin’ny araben’ny fahaleovantena ny alahady 16 aprily 2023 teo. Arahabaina koa, hoy izy, ny mpikarakara sy ny mpijery ary ny ben’ny tanana. Arahabaina nahatontosa tsingerintaona. Raha mbola misy tsy mahalala fa isan’ny zavatra iray mampitambatra ny malagasy, dia ny zavakanto. Ireny no atao hoe «évènement». Tsy hoe isaky ny mihetsika izy hitanao. Tsy AmbondronA mahazo olona no mahagaga. Hidiram-bola aza izy fenony Antsonjombe, fenony «palais des sports» ary fikarakarana no isan’ny mendri-piderana fa raha nitsivalana tsy manana vina izy, tsy tanteraka ireny. Ohatran’ny fanokafana ny zaridaina alatsinain’ny Paska hoe «potika io eh!», «maloto io eh!». Manomboka lefy ny mpaka sary zaoridira sy amany ao aorian’ny fampisehoana tonga maraim-be hanaratsiana na ny mpikarakara na ny tarika nanao teo noho ny antony iaraha-mahalala. Ho anay mpiatrika «festival» eran-tany dia fanao ny toa io koa mendrika fiarahabana ny ekipan’ny fiadidiana ny tananan’Antananarivo. Efa misy koa ny jazz totohabato ary tsapa ho te hanao «rue pietonne» an’Analakely izy rehefa alahady koa dia mahereza. Fehiny, mitaky fahafehezana lalana na «Jurisprudence» ny fampisehoana ataona tarika malaza iray miaraka amin’ny fiadidiana ny tanana eo amin’ny araben’ny fahaleovantena ka ho avy ny manaraka. «Jurisrudence» fa afaka hanaovana tarika malaza ny «gradins» na totohatry ny kianjan’ny Barea. Azo anaovana hetsika ny toerana malalaka ao ambadiky ny «gradins» sy ny manodidina ny kianja. Isany ny «loko race», «foira», ala. Alefa Antananarivo sy ny mozika ary ny kolontsaina! Ho ela velona ny tena mozika «live» tendren’olombelona .Misaotra anareo rehetra nitoto nahafotsy, nahandro nahamasaka, hoy hatrany ity mpanakanto tompon-kevitra sy mpamorona ny hetsika « Tapôlaka Glady » ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT