Hiverina amin-kery ny Nabaoh

Abel Anicet no «manager»


  • Talata 30 Jolay 2024

Nisy ny hetsika goavana sy tokana natao tao amin’ny tokontanin’ny Sainte Famille Mahamasina

izay nataon’ny tarika Nabaoh sy ireo artista namana vitsivitsy, hoy i Rafifi, ao amin’ny tarika Nabaoh. Ankasitrahana, hoy izy, ny mpankafy satria tena hita ny fankafizan’ny eto Antananarivo izany Nabaoh izany tao anatin’izay taona maromaro tsy nisehoany teto an-drenivohitra izay. Mikasa ny hiverina amin-kery ankehitriny ny tarika, raha ny nambarany, ary mitohy, hoy izy, ny hetsika fankalazana ny faha 25 taonan’ny tarika. Hisy hetsika goavana hatao eto andrenivohitr’Antananarivo. Ao koa ny «Cabaret VIP», izany hoe seho anaty trano fisakafoana ho ataon’ny tarika. Eo am-panomanana ny praograma rehetra izahay izao. Hisy fitetezam-paritra sy fivoahana any ivelany aorian’izay raha sitrapon’Andriamanitra, hoy hatrany i Rafifi. Nilaza kosa i Abel Anicet, kapitenin’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra teo aloha, «Manager» na mpiahy ny tarika Nabaoh, fa tsy maintsy misy farany ny baolina kitra. Efa najanona iny, hoy izy, dia efa eto an-tanindrazana aho izao mivezivezy eto sy any ivelany. Mpiondana voalohany ny tarika Nabaoh hatramin’ny fahakeliko aho. Mahay mihira ry zalahy no efa namana akaiky. Nisy moa ny resaka nifanaovanay dia nosafidian-drizareo ho «manager» aho dia tsy mampaninona ahy fa namana ireo. Tsy maintsy asondrotra. Ny baolina kitra milalao sisa. Najanona mihitsy aloha iny. Hita ho misy fivoarana be ny mozika malagasy izao. Iza moa no tsy mahalala an’izany Nabaoh izany eto Madagasikara hatrany ivelany? Mino aho fa tena hahafinaritra, hoy hatrany ny tenany ny fiverenan’ny Nabaoh.
J. Mirija
Légende : Abel Anicet sy Rafifi
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT