kolontsaina

Hiran’i Boy Black Misy vahiny mandika tsy nahazo alalana


  • Alakamisy 01 Aprily 2021

Misy mpihira vahiny mandika tsy nahazo alalana ny hiran’ilay mpanakanto Malagasy, Boy Black,

 

mitondra ny lohateny hoe “Tsy hitambarako”. Araka ny fitarainan’ity mpanakanto ity dia ny mpanakanto magrebianina antsoina hoe “Hicham” no manatontosa izay endrika fangalarana feon-kira na “plagiat” izay amin’ny alalan’ilay hirany mitondra ny lohateny hoe “Ntya Lya” izay nivoaka ny 15 janoary 2021 teo. Ny 1 aogositra 2018 kosa moa, raha tsiahivina no nivoaka ny “Tsy hitambarako”, izany hoe 3 taona nialoha ity “plagiat” ity. Ho hita miandalana eo moa ny tena fanapahan-kevitra ho raisin’I Boy Black manoloana ity tsy fanarahan-dalana eo amin’ny tontolon’ny kanto ity, izay miditra eo amin’ny sehatry ny mozika iraisampirenena mihitsy. Inoana fa tsy hipetra-potsiny manoloana ny zava-misy ity mpanakanto Malagasy tena tompon’ny vokatra ity. J. Mirija Legende: Boy Black

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT