Ofisialy nanomboka ny alin’ny 5 desambra hifoha omaly ny fahatafidiran’ny « Hiragasy »
ao anaty ao anaty lisitry ny harem-bakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona. Ny Komity faratampony mandinika sy mamoaka ny lisitra vaovaon’ny harembakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona izay atao any Botswana no nanapaka an’io. Raha ny fanazavana, dia nanomboka ny taona 2019 no nandeha ny dingana nangatahana an’io, ka ny 8 avrily 2022 no nametrahan’ny minisitry ny kolontsaina sy ny seraser mivantana ny antotan-taratasy fangatahana tao amin’ny "Secrétariat de la convention pour la sauvegarde du patrimoine culturel immatériel - patrimoine vivant secteur de la culture" eo anivon'ny UNESCO tany Paris. Nisy, nanomboka teo, ny fifanakalozana sy ny fifandresen-dahatra, ka ny volana novambra 2023 no nahazo fankatoavan’ny komitin’ny fanombanana (Comité d’évaluation) ny fidiran’izany anaty fivoriana faratampony, izay voalaza fa andraisan’ireo tompon’andraikitra ambony Malagasy hatrehina amin’ny alalan’ny teknolojia ampitain-davitra. Ity no kolontsaina manandratra ny maha malagasy faharoa tafiditra ao anatin'io lisitra io tato anatin’ny 5 taona satria ny faran’ny taona 2021 no tafiditra ho harem-bakoka tsy azo tsapain-tanan’ny zanak’olombelona ny “Kabary malagasy », raha tsiahivina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.