kolontsaina

Hiragasy makotrokotroka eny Ambohijatovo Mpijery 3.000 isaky ny alahady no andrasana


  • Alatsinainy 17 Jolay 2017

Raikitra indray ilay hetsika hiragasy makotrokotroka, fanao isaky ny vakansy lehibe tahaka izao eny amin’ny zaridainan’Andohalo.

Notanterahina nanomboka omaly alahady 16 jolay folakandro indray  izy io, rehefa nafindra eny amin’ny zaridainan’Ambohijatovo noho ny asa fanamboarana  karakarain’ny Haigasy Production. Maimaimpoana ny fijerena izany, tsy misy vidim-pidirana hetsika hitohy isaky ny alahady folakandro mandrapahatonga ny fiandohan’ny volana aogositra ho avy izao. Tanjona ny hanandratana ny soatoavina  Malagasy ka hampahafantarana amin’ny rehetra fa anisan’ny kolontsaina  sady fitaizana efa nisy teto amintsika fony  faha mpanjaka ny hiragasy ka tsy tokony ho tompon-trano mihono ny rehetra. Ireo ankizy sy tanora ankehitriny no kendrena hahazo tombontsoa  manokana, amin’ny alalan’ny anatra sy fampianarana entin’ny hiragasy. Tsiahivina moa fa hisy ny fifaninanana hampanaovina ireo mpanao hiragasy mandritra izany ka izay mendrika indrindra no hibata ny amboara. Manodidina ny 3.000 isa isan-kerinandro kosa ny mpijery andrasana.

 Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT