Nahita masoandro ny andiany ANTEMA, vokatra voalohany eto Antananarivo tamin`ny fampianarana mihira ny Cours de Chant Hery Andriatahina (CCHA).
Mpianatra nahavita fiananarana feo miisa 18 no nanatanteraka kaonseritra omaly tetsy amin`ny efitrano malalaky ny CAFETERIA ESCA Antanimena izay mitondra ny lohateny hoe “SANDRAM-PEO 3” nentin`izy ireo nanehoana ny fahaizana norantovin`izy ireo. Naneho fankasitrahana feno ny mpampianatr`izy ireo nandritra ny lahateniny, noho ny faniriana hahay sy hifehy hira ary indrindra nanaiky natoro sy nahitsy. Isan`ny fampianarana natao dia ny fitazonana feo indrindra fa rehefa hira fiderana. Ny karazana feo ampiasaina mantsy dia tokony hilanto, hanambitamby , halefadefaka, hilamindamina satria ny hira masina dia toy ny vavaka ka tsy tokony hivazavaza sy hitrevatreva, hoy hatrany ny fanazavana. Marihana fa ity andiany ANTEMA ity dia nahitana sokajin-taona maro samihafa ka 13 taona no zandriny indrindra ary 60 taona no zokiny. Tsara ny manamarika fa Ambohimandroso sy Ambatolampy no nisantatra izany fampianarana hira no tanterahin`ny sekoly CCHA izany. Ny 14 Oktobra ho avy izao ity tarika indray mihira ity no hamoaka rakikira “Best-Off” izay hindramany sangan`asan`ny hafa mba entina hiderana an`Andriamanitra amin`ny alalan`ny mozika sy ny hira.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.