Hip Hop

Hanao « IVLP » any Etazonia i Lalaina Andrianotahiana


  • Talata 16 Aprily 2024

Voafantina handray anjara amin'ny praograma International Visitor Leadership Program na IVLP

miompana amin'ny lohahevitra hoe «Hip Hop and Civic Engagement» i Lalaina Andrianotahiana na Kwincy, mpanakanto misehatra eo amin'ny tontolon'ny Hip Hop sady mpanabe, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Ato anatin'ny 3 herinandro, nanomboka omaly, izy dia hanao fitsidihana any Washington, D.C., New York, sy North Carolina ary hihaona amina mpisehatra amerikanina sy mpitarika avy amin'ny firenena maro hafa. Hifanakalo hevitra momba ny anjara toeran'ny kolontsaina Hip Hop amin'ny fiatrehana sy fanoherana ireo fanamby atrehin'ny fiarahamonina toy ny herisetra sy ny fanavakavahana ary ny fidorohana zava-mahadomelina. Ny praograma IVLP no fandaharan'asa fifanakalozana matihanina voalohany an'ny departemantam-panjakana amerikanina mitondra ireo mpandray anjara avy amin'ny sehatra isan-karazany manao fitsidihana fohy any Etazonia ary mamboly fifandraisana maharitra amin'ireo amerikanina mpiray sehatra amin'izy ireo. Mialohan'ny niaingany ho any Etazonia dia niarahaba manokana an'i Lalaina tamin'ny nahavoafidy azy hisitraka ity praograma lehibe ity ny mpanolontsaina momba ny serasera sy kolontsaina eo anivon'ny ambasady amerikanina, Craig Ferguson, raha ny fampitam-baovao omaly hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT