Asa na variana amin’ny olana politika mitranga eto amin’ny firenena ny maro fa saika vitsivitsy olona hatrany ny seho ara-kolontsaina sy ara-barotra tamin’iny faran’ny herinandro iny.
Ao ihany koa angamba ny fanahiana ny hisian’ny korontana ka nahatonga ny sasany tsy hivoaka ny trano. Zavatra mety nisy tokoa izany saingy ny marimarina kokoa dia hita ho mizotra hatrany mankany amin’ny fahasahiranana lalina tanteraka ny Malagasy. Zavatra tsy dia fahita firy izany tarika Mahaleo manao seho izany ka tsy mahafeno lapa. Nikaikaika ihany koa ny mpandray anjara tamin’ny “foire des pays européens” tetsy Mahamasina noho ny havitsian’ny olona nitsidika. Soa ihany fa mba nitsinjo ny fatiantoka nisy taminay ny mpikarakara ka nanome fihenana 15% tamin’ny hofan’ny tranoheva, araka ny nambaran’ireo solontenan’ny mpandray anjara. Tsiahivina fa 400 000 Ariary ny hofan’ny tranoheva ary 80 teo ho eo ireo mpandray anjara. Ankoatra ny fatiantoky ny mpandray anjara dia nihena hatrany amin’ny 5 000 000 Ariary latsaka kely ny vola tokony hiditra tamin’ny mpikarakaka. Taratry ny tsy fandehanan’ny asa fandraharahana misy eto Madagasikara daholo izany. Mila mivaha haingana ity olana ara-politika mitranga eto Madagasikara ity fa tena mamono ny vahoaka. Raha misy fitiavan-tanindrazana kely ihany amin’ireo fototry ny olana dia mila milefitra izy ireo mba ho fitsinjovana ny tombontsoan’ny firenena manontolo.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.