Nigadona ny Volambita, fetin’ny Fihavanana izay karakarainay, hoy ny avy eo anivon’ny fikambanana Iray Madagasikara. Eo no fotoana hanehoana ny maha Malagasy antsika. Amin’ity takarivan’ny 22 septambra ity, manomboka amin’ny 7 ora sy sasany hariva etsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely, araka izany, no hankalazana sy hanandratana ny Fihavanana.
Ny Fihavanana, izay Soatoavina mampalaza ny Malagasy nefa toa zary oha-pitenenana fotsiny sisa ankehitriny, hoy hatrany izy ireo. Ny fahatsapana fa very tanteraka ny maha Malagasy, indrindra eo amin’ny kolontsaina, araka izany, no nahatonga ny fikambanana Iray Madagasikara hikarakara izao hetsika goavana izao. Hetsika izay heveriny fa ho vato fehizoron’ny famerenana ny hasin’ny kolontsaina sy ny soatoavina Malagasy. Ho an’ny fikambanana Iray Madagasikara dia fanoitra lehibe iray hahatongavana amin’ny fampandrosoana ny firenena ny kolontsaina. Tsy ho tratra, hoy izy ireo, izany tanjona izany raha tsy mifanome tanana ny Malagasy ka mivondrona manodidina ny hetsika iray ary hetsika hanambarana ny Malagasy, hoy hatrany ny fanazavana, no tanjona amin’ny Volambita. Ny kanto sy ny kolontsaina no nosafidian’ny Iray Madagasikara hanehoana fa Iray ny Malagasy na dia samy manana ny maha samihafa azy aza ny tsirairay. Harena rahateo koa ny fahasamihafana, hoy ny fikambanana. Araka izany, hisy ny fanehoana fitafiana sy taovolo avy amin’ny lafivalon’ny Nosy. Izany rehetra izany dia horavahin’ny hira sy mozika ary soradihy. Mandritra io fotoana io ihany koa, amin’ny alalan’ny tsiron’i Gasikara no hankafizana ny sakafo avy amin’ny lafivalon’ny Nosy. Ho azy ireo dia tsy hijerena loko politika na fivavahana na fiaviana ny Fihavanana satria Iray ny Malagasy, tany iray no niaviany ary soatoavina iray no iraisany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.