HETSIKA SARIKA

Tokony hitarina amin’ny faritra maro


  • Alatsinainy 15 Aprily 2024

Nifarana Zoma 12 Aprily alina teo ilay hetsika Sarika ho fampandriana fahalemana ny eto amin’ny

tananan’Antananarivo renivohitra sy ny manodidina. Nidina teny an-kianja namarana izany tanteraka ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police , Rakotoarimanana Herilala, sy ireo mpiara-miasa aminy. Fisafoana an-tongotra sy tamin'ny fiara teny amin’ireo Fokontany voasokajy ho mahamay toy ny teny Sabotsy Namehana, Alasora, 67ha, Andavamamba, Analakely no natao tamin’izany. Tanjona ny hamporisihana sy hankaherezana hatrany ireo polisy eny an-kianja amin'ny fiarovana ny ain’ny vahoaka sy ny fananany . Eo ihany koa ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin'ny vahoaka amin'ny asa fitandroana ny filaminana eo amin'ny lafiny rehetra. Tsiahivina moa fa maro ireo vokatra azon’ny polisy nandritra ity hetsika Sarika notanterahin’izy ireo teto an-drenivohitra sy ny manodidina ity. Ankoatra ireo mpangalatra sy mpanendaka tratra dia nisy ihany koa ireo olona tara fodiana avotra teo am-pelatanan’ireo mpanao ratsy. Nisy ihany koa ireo mpivarotra rongony sarona, ireo vaky trano voasoroka….Tsy misy maharatsy ny hetsika tahaka izao amin’ny ankapobeny. Ny mampalahelo ny vahoaka kosa anefa dia marobe ireo toerana tokony hanaovana fisafoana tahaka izao na andro na alina eto an-drenivohitra fa tena mirongatra ny tsy fandriampahalemana. Maro amin’ireo mpitandro ny filaminana no tazana mitangorona amina toerana iray nefa ny vaky trano miaraka amin’ny fitaovam-piadiana mahery vaika matetika 100 metatra miala azy ireo ihany. Atsipy ny tady eny an-tandroky ny omby, atsipy ny teny any am-pon’ny mahalala.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fidinana ifotony notanterahin’izy ireo !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT