Hiditra amin’ny andiany faha-6 amin’ity taona ity ny 20 ka hatramin’ny 23 desambra izao ny hetsika goavana fanao isan-taona ao Taolagnaro ao na ny Sambaraha.
Toy ny mahazatra dia maro ireo hetsika ho hita amin’izany, toy ny fifaninanana ara-panatanjahantena sy diabe isan-karazany ary ny fampisehoana an-dapihazo iarahana amin’ireo mpanakanto malaza toa an-dry Dadah de Fort Dauphin, Arnah, Big MJ sy Rabaza ary DC Blaize. Anisan’ny hampiavaka ny hetsika kosa ny fifaninanana Surf izay mampalaza iny faritra iny fa eo koa ny fifaninanana hazakazaka ganagana sy lakana. Ny teny hoe Sambaraha moa dia midika hoe “Andeha hijery zavatra” ka ilay fitadiavana izay fihavahana izay indrindra no zahana, hoy hatrany ny mpikarakara. Isan’ny misarika mpizahantany be indrindra ao an-toerana isan-taona izy ity. Nahitana fitomboana 9% moa izay mpizahantany tonga tao an-toerana izay hatreto ho an’ny tamin’ity taona ity raha toa ka nisy fisondrotany 20% manerana ny nosy, araka ny tarehimarika farany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.