kolontsaina

Hetsika LGBT Handinika ny tokony atao ny fiangonana


  • Zoma 25 Martsa 2022

Rahampitso sabotsy manomboka amin’ny 3 ora tolakandro dia hisy ny velankevitra izay tarihin’ny mpitandrina Hubert Rakotoarivony.

Ho tontosaina etsy amin’ny FJKM Amparibe famonjena izy io ary handinihina indrindra ny lohahevitra hoe "Ny fiangonana manoloana ny hetsika LGBT+: ny tsara ho fantatra sy ny tokony atao." Araka izany dia ny resaka fiarahan’ireo mitovy fananahana sy ny tsy fankatoavana ny lamina voajanahary toy izany hatramin’ny fanovana fananahana mihitsy no isan’ny ho foto-dresaka amin’ity rahampitso ity. Miara-miasa amin’izy ireo ao anatin’izao hetsika izao moa ny École Supérieure du Multimédia na ESM, izay sekoly ambony momba ny haino aman-jery sy hairaha vaovao ary hampita mivantana azy io koa ao amin’ny pejy Facebook an’ny ESM, indrindra, ho an’ireo ivelan’Antananarivo sy Madagasikara toy ny any La Réunion,Gabon, RD Congo, Sénégal,Afrika atsimo, Belzika, Frantsa, Aotrisy, Kanada, Sina, raha ny fampahafantarana natao sy fampitam-baovao hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT