kolontsaina

Hetsika “Green Revolution” Hampisongadina ny angovo azo havaozina


  • Zoma 06 Aprily 2018

Natao tetsy amin’ny Infinithé Ivandry omaly alakamisy 5 aprily ny fampahafantarana ny fampirantiana andiany voalohany “green revolution” hotanterahina eny an-toerana ihany ny 27 hatramin’ny 29 aprily ho avy izao.

Mahakasika indrindra ny tontolo iainana, ny angovo azo havaozina ary ny bio ekolojia ny hetsika. Tanjona ny hanamora ny fihaonana sy ny fifanakalozana traikefa amin’ireo fikambanana sy ny mpandray anjara rehetra. Ao ihany koa ny fanentanana sy fampahafantarana ny maha zava-dehibe ny fiarovana ny tontolo iainana eto Madagasikara. Ary farany misy ireo tetikasa tsara omena sehatra sy tokony hotohanana amin’ireo orinasa sy ny mpiara-miombon’antoka. Anisan’izany, ohatra, ny fanodinana ny fako sy ny fampiasana ny angovo azo havaozina ary ireo hetsika samihafa ho fiarovana ny tontolo iainana. Mampiavaka ity hetsika ity ny fambolena hazo iray hatao isaky ny olona iray mitsidika satria iaraha-mahalala fa amin’izao fotoana dia saika voakasiky ny fanapahana hazo avokoa ny faritr’i Madagasikara. Raha mitohy izany dia ho ripaka tanteraka ny ala misy eto afaka 10 taona.  Ankoatra ny fampirantiana dia nanamafy ny masoivoho 100%, izay mpikarakara, fa hisy ny varotra, ny fikaonan-doha, ny atrikasa ary ny fanentanana sy maro samihafa ahafahan’ny mpitsidika rehetra mahazo ny anjarany. Ilaina ny hetsika sahala amin’itony hahafahan’ny Malagasy mitodika bebe kokoa amin’izay ny angovo azo havaozina. Sady hihena ny vola be aloa amin’ny JIRAMA no voatsinjo ny taranaka amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.

Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

  • Mpanakanto Shyn
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

"Mbola tsy hita ny hazavana"

  • Famelomana ireo tantara
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

an-tsary fahiny

  • Fanavaozana ny Firenena
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

« Mila mifaka amin’ny «

Hijery ny tohiny
FTT