kolontsaina

Hetsika Festival Dola beach Ezahana asongadina ny kolontsain’i Vatomandry


  • Zoma 24 Martsa 2023

Ny 7 hatramin’ny 10 aprily izao no ho tontosaina any amin’ireo torapasik’i Vatomandry ny andiany faha 11 amin’ny hetsika Festival dola beach.

Araka ny fanazavan’ireo mpikarakara izany tetsy amin’ny Campus Telma Andraharo omaly, dia ho maro ny hetsika ho hita ao anatin’izany. Isany ny fifidianana tovovavy sy tovolahy mendrika na “élection Miss et Mister”. Eo koa ny fampisehoana lehibe iarahana amin’I Wawa, ny Dola kopaka izay fampiadiana akoho, Dola rotra na fisintoman-tady, ny Dola sprint na hazakazaka 100 metatra eny amin’ny torapasika, ny Dola gony na hazakazaka anaty gony, ny tologna sy ny maro hafa, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray. Ezahana asongadina, araka izany, ny kolontsain’iny faritr’i Vatomandry iny, hoy ny fanamarihana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT