Hetsika "Festival de la RN7"

Antsirabe no ho foiben’ny lanonana


  • Talata 24 Jona 2025

Tontosa ny 21 jona teo tao Antsirabe ny fifanaovan-tsonia amin'ny fomba ofisialin’ny

fifanekena fiaraha-miasa sy fanohanana teo amin’ny ORTVak na «Office Régional du Tourisme de Vakinankaratra», izay ofisy rejionaly misahana ny fizahantany ao Vakinankaratra, sy ny ONG Tolo-tanana mikasika ny hetsika «Festival de la RN7». Tontosa tao amin’ny Hôtel des Thermes Antsirabe izany fifanaovan-sonia izany, hoy ny fampitàm-baovao voaray. Ny roa tonta dia voalaza fa hanambatra sy hifanome tanana mba hanantanteraka sy hahatonga amin'ny fahombiazana ny "Festival de la RN7" ho sehatra mitondra vokantsoa sy fampandrosoana ara-kolontsaina, toekarena ary fizahantany ho an’ny faritra sy ny manodidina ny hetsika atao. Ny tanjona iombonana dia ny hampiroborobo ny talenta sy haitao ary ny fahaiza-manaon’ny faritra. Haneho sy hanandratra ny harena vokarin'ny faritra, ny kolontsaina, ny vakoka ary toerana fizahantany. Hanome lanja sy ho fanohanana ireo mpisehatra ara-toekarena sy mpamokatra ny faritra. Hampisongadina an’i Vakinankaratra amin’ny fomba hafa amin'ny alalan’ny hesika. Ny "Festival de la RN7" ho tanterahina ny 15 hatramin’ny 17 aogositra 2025, miainga avy any Antananarivo ka hatrany Antsirabe, mirona sy mandriaka amin’iny lalam-pirenena faha-7 na RN7 ary hisy fiatoana hanamarika sy seho maro samihafa mandritry ny fandalovana amin'iny lalam-pirenena faha 7 iny. Antsirabe no ho foiben’ny lanonana ka hisy seho sy hetsika ary fialamboly maro mandritra izany ary amin’ny toerana maro voafantina toy nyafovoan-tanàna Antsirabe, Gara, farihin’Andraikiba, farihin’i Tritriva, Hôtel des Thermes sy hafa maro. Ho voakasiky ny hetsika ny tontolon’ny fizahantany, haitao sy fahaiza-manao, sakafo sy vokatra ary sehatry ny tantsaha, kolontsaina sy fomba amam-panao ary ireo hafa maro tsy voatanisa, hoy hatrany ny fampitàm-baovao voaray.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

  • Mpanakanto Shyn
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

"Mbola tsy hita ny hazavana"

  • Famelomana ireo tantara
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

an-tsary fahiny

  • Fanavaozana ny Firenena
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

« Mila mifaka amin’ny «

Hijery ny tohiny
FTT