kolontsaina

Hetsika fanangonam-boky 29. 392 no voaangona tao anatin’ny 3 herinandro


  • Alarobia 01 Desambra 2021

Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy omaly Talata tetsy amin'ny Plaza Ampefiloha ny fihaonam-be manodidina ny boky andiany faharoa nokarakarain'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-Pirenena tamin'ny alalan'ny

 Fitaleavana misahana ny fampiroboroboana ny fampitaovana an-tsekoly (DDIS) sy ireo mpiara-miasa rehetra. Tonga nanatrika sy nanome voninahitra ny fotoana ny Sekretera Jeneraly eo anivon'ny minisitera nisolo tena ny Minisitry ny Fanabeazam-Pirenena izay nanindry fa "manan-danja ka mendrika ny hanaovana paikady ny fanangonana boky mba ho fanatsarana ny fanabeazana eto amin'ny firenena." Araka ny atontan'isa nomen'ny talen'ny DDIS, dia miisa 29 392 ireo boky voaangona nandritra ny telo herinandro nanaovana ny hetsika. Manampy izany ireo boky Angano miisa 13 izay nandray anjara tamin'ny fifaninanana angano arahin-tsary natokana ho an'ireo ankizy tao amin'ny kilasy T1, T2 ary T3. Nandritra ny fotoana no nanolorana ny mari-pankasitrahana ho an'ireo mendrika tamin'ny fifaninanana. Nisy ihany koa ny hetsika maro nataon'ireo ankizy sy mpianatra naneho talenta ary ireo avy amin'ny ambaratonga ambony kosa dia nanatanteraka adihevitra mahakasika ny filàna ny boky vakiana sy boky ara-teknolojia. Marihina moa fa ny DDIS sy ny Ministeran'ny Fanabeazam-Pirenena dia misokatra lalandava amin'ny fanohanana avy amin'ny mahalala tanana mba hampiroboroboana ny fampianarana amin'ny alalan'ny boky entina hanatsarana ny fanabeazana eto Madagasikara.
Pati
Legende : Nandritra ny fitsidihana ireo trano eva nataon’ny tompon’andraikitra
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT