kolontsaina

Hetsika famoriam-bahoaka Mbola nisy nisokatra ihany


  • Alatsinainy 23 Martsa 2020

Taorian` ny fanambarana nataon` ny filoham-pirenena ny zoma lasa teo momba ny fisian'ny trangan’aretina Coronavirus (Covid 19) eto Madagasikara amin’izao fotoana izao fa voarara ny hetsika famoriam-bahoaka dia samy nanao ny andraikiny mifanandrify amin` izany ireo fiangonana. Nanao fanambarana ny fivondronamben' ny eveka, ny FFKM, ny adventista…

 

 ka mandritra ny 15 andro dia hofoanana ireo fotoam-pivavahana sy karazam-pivoriana rehetra ao anivon' ny fiangonana. mandritra io fe-potoana io. Saika nitovy avokoa ireo fanambarana satria miantso fitoniana sy fiombom-po tanteraka ao anatin'ny firaisan-kina eo am-piatrehana izao fitsapana lehibe izao ary manamafy ny tokony hanarahan'ny rehetra amin'ny antsipiriany ireo fepetra rehetra atoron'ny tompon'andraikitra isan’ambaratonga. Etsy ankilany, mbola nisy Fiangonana zandriny iray mitsofoka etsy Nanisana nanokana fotoam-pivavahana ka natsahatry ny Polisin'ny boriborintany fahatelo izany ary nasaina nody avokoa ireo olona mba hiarovana azy ireo amin'ilay valan'aretina "Covid 19." Anterin'ny Polisim-pirenena hatrany fa mba ho fiarovana ny aina sy ho fitsinjovana ny mpiara-belona dia ilaina ny manaraka ny toromarika omen'ny tomponandraikitra hahafahantsika rehetra misoroka ity valan'aretina ity.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT