kolontsaina

Herinandron’ny literatiora ho an’ny ankizy Nahasarika olona ny hetsika teny amin’ny Aft


  • Alatsinainy 28 Mey 2018

Nifarana ny sabotsy teo rehefa naharitra herinandro ilay hetsika herinandron’ny literatiora ho an’ny ankizy nokarakarain’ny Alliance Française Antananarivo ( AFT) sy ny Institut Français de Madagascar.

 

Fahombiazana tanteraka no azon’izy ireo tamin’izany, raha araka ny fanadihadiana natao. Am-polony maro isan’andro mantsy ireo tonga nanohana ny antso, indrindra fa tamin’ny alarobia hariva teo. Ny fampirantiana momba ny bokin’ankizy tany amin’ireo toerana roa ireo no tena nahaliana ny maro,   lalana hany tokana  hahafahana manampy ny ankizy amin’ny haranitan-tsaina sy ny fahalalana ary ny fahaizana mifety ny tenim-pirenena vahiny. Ray aman-dreny ny ankamaroan’izy ireo raha nisy ihany koa ireo ankizy mpianatra izay saika niverina isan’andro ny ankamaroany. Ho an’ireo ankizy hiatrika ny fanadinam-panjakana manokana toy ny BEPC dia ilay famintinana bokin’ankizy maromaro mahaliana no tena nahasarika azy ireo mafy izay tsiahivina fa  ankizy toa azy ihany no nanomana izany. Nahafinaritra azy ireo ihany koa ny fihaonana tamin’ireo mpanoratra sy mpanao sary, indrindra fa ireo mpitantara angano, fialamboly izay zary tsy fantatry ny ankizy intsony ankehitriny. Tsiahivina moa fa maimaimpoana avokoa ny fidirana tamin’ireo rehetra ireo. Ho an’ireo mpitsidika manokana dia afaka namaky boky nomerika tamin’ny alalan’ny tableta izy ireo nandritra izany.

 Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT