kolontsaina

Hentitra ny TIM Voahosihosy ny hasina maha Malagasy


  • Zoma 06 Novambra 2020

Nanao fanambarana nosoniavin’ny Sekretera Jeneraliny Atoa Riana Randriamasinoro ny Antoko TIM omaly 05 novambra. Mahatsapa ny antoko fa voahosihosy ny Soatoavina sy ny hasina Maha-Malagasy tamin’ny fametrahana ny “colisée” ao anatin’ny Rovan’Antananarivo.

 

 

 Vakoka itarafan’ny Malagasy sy izao tontolo izao fa manana ny tantarany I Madagasikara ny Rovan’Antananarivo, ka tsy azo ovana na zimbazimbaina ireo endrika na ny singa, na ireo toetoetra ara-tantara, ny toerana niorenany sy ny fitodiny, ary ny tsanganany izay manamarika sy manaporofo ny maha tokana an-tany azy, hoy ny TIM. Efa niorina teo amin’io toerana io hatramin’ny taon-jato faha-XVI izay vavolombelon’ny fisian’ny fanjakana mahaleotena teto Madagasikara talohan’ny fanjanahantany ny io, izany hoe reharehan’ny Malagasy ny fananany ny Rovan’I Manjakamiadana. Noho izany dia mitsipaka marindrano ny fananganana ny “colisée” ao anatin’ny Rova sy ny Fikasan’ny Fitondram-panjakana hitokana izany ny TIM. Fihetsika feno amboletra hampizarazara ny firaisankiana sy ny fihavanan’ny Malagasy io, ary hanimba ny fiandrianam-pirenena, hoy izy ireo. Manoloana ny fahitan’izy ireo tsy fanarahan-dalàna dia nilaza ny TIM fa efa nitory tany amin’ny Mediatiora sy ny Fitsarana, saingy mbola tsy nivaly. Ny hoe fandravana sy ny zavatra tokony hatao, dia maro be ny fangatahana nataona sokajin’olona samihafa: fikambanana, taranak’Andriana, olona mahafantatra fa zava-dehibe izany Rovan’I Madagasikara an’ny Malagasy manontolo izany, ka niombon-kevitra amin’izany izahay, hoy izy ireo, hoy ny Depiote Hanitra Razafimanantsoa. Efa tamin’ny andron’ny Filoha Ravalomanana no nanomboka ny fanamboarana ny Rova, ary maro be ny zavatra efa vita tao. Raha iny trano Besakana sy zavatra hafa maha rova ny rova, fanamboarana sy fanatsarana, ary mamerina azy amin’ny endriny tamin’izany dia ary anisan’ny nanohana izahay, hoy izy.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT