kolontsaina

Henri Ratsimbazafy Hitantara an-kira ny 90 taona niainany


  • Alakamisy 30 Martsa 2023

Nandroso be ny mozika malagasy, hoy i Henri Ratsimbazafy, izay hankalaza ny tsingerintaona faha 90 nahaterahany etsy amin’ny CC ESCA Antanimena ny 2 aprily izao manomboka amin’ny 2 ora sasany tolakandro.

64 taona aho izao, hoy izy, no nilona tanaty mozika fa tsy mitovy tamin’ny niatombohanay mihitsy. Na ny fandraisam-peo na famoahana feo na famoahana ny kanto, nisy fivoarana be. Efa be ny zavatra hitako. Tsy nanomana aho fa tena hitantara an-kira ny lalana nodiaviko tao anatin’izay 90 taona niainana sy 64 taona nihirana izay. Manahirana ihany anefa izany satria tena tantara lava be ka dia nindramiko ireo namana mpanakanto hafa hiaraka hitantara amiko izany amin’ny alalan’ny fameloman-drizareo amin’ny fombany avy ny hiran’I Henri Ratsimbazafy ihany koa, hoy hatrany ity oloben’ny hira sy mozika malagasy ity. Fotoam-pivavahana lehibe nentina nisaorana sy niderana an’Andriamanitra tao amin’ny FJKM Ankadifotsy moa no efa nanombohana sahady ny fanamarihana ny faha 90 taonan’i Dear Henri omaly. Ankoatra ireo fianakaviany dia marobe ireo namana sy tapaka tonga nanotrona azy. Toraka izany koa ireo mpanao politika fanta-daza eto amintsika, mpitandrina…Ankoatra ny maha-mpihira tsotra an’i Henri Ratsimbazafy dia mpamoron-kiram-piderana ihany koa izy izany hoe : mitory ny tenin’Andriamanitra ary manana hira manodidina ny 50 isa eo mifandraika amin’izany sy hira protestanta.
J. Mirija sy Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT