Helian, Mage 4

«Tsy manavaka finoana na fihaviana ny tarika»


  • Alatsinainy 26 Febroary 2024

Mbola ao anatin’ny tarika Mage 4 aho, hoy i Helian,

isan’ireo nanorina ity tarika zokibe teo amin’ny fiangaliana ny Rock malagasy ity, niditra mivantana avy anya m-pitan-dranomasina nanazava mikasika ny tarika sy ilay fifantenana na «casting» ho an’ireo te hisolo ny toeran’i Ken, izay mpihira teo anivon’ny tarika ny sabotsy teo. Tsy manavaka finoana na fihaviana na maha lahy na maha vavy ny tarika, hoy izy, fa rehefa vonona ny hanoratra tantara vaovao ao anatin’ny firaisankina miaraka aminay dia raisinay. Efa ao am-poko ny fitiavana ny tarika. Mety tsy dia betsaka ny mahalala fa mbola talohan’ny niatombohan’ny Mage 4 aho dia nanana tarika antsoina hoe Taratra ary rehefa tany Toliara aho no namorona ny Mage 4 satria rava ny Taratra. Ny hirako rehetra tao amin’ny tarika Taratra no nentiko tao amin’ny Mage 4. Nalahelo tamin’izany fotoana izany hoe rava ny tarika Taratra. Rehefa namorona ny Mage 4 kosa dia, hoy aho hoe tiako raha mitohy mandrakizay ity tarika ity. Isaorana ianareo mpankafy nanohana hatrany ary mirary izahay fa hitohy izany fifanohanantsika izany, hoy hatrany i Helian.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT