kolontsaina

Hazotsifantatra ao Andasibe Tsy azo hanaovana maloto, misy manao voady


  • Talata 01 Septambra 2020

Hazo iray izay mbola tsy fahita any amin’ny firenen-kafa, tsy maniry any amin’ny toeran-kafa ankoatra ny ao amin’ny valan-javaboaharin’Andasibe ny hazotsifantatra. Mirefy 15 metatra eo ho eo ny halavany ary maromaro izy ireo no hita manamorona ny ranon’Analamalotra ao amin’ity valan-javaboahary iray ity.

 

 

Anisan’ny tena mampiavaka sy mahasarika ireo mpizahantany vahiny aminy ny vatany miloko mena manopy ra raha toraka izany ihany koa ny dintiny rehefa kapaina. Miova isaky ny 3 volana ihany koa ny raviny ka raha toy ny ravina aviavy izy amin’ity volana ity dia miova ho hafa izany amin’ny 3 volana manaraka dia toy izany hatrany. Tsy vitsy ireo manao voady na fombafomba eo am-pototr’ity hazo iray ity ao Andasibe ity noho izany ka fonosin’ny olona lamba ny vatany raha misy mametraka tandrok’omby sy tantely ihany koa eo akaikiny. Antony tsy hahafahana manao maloto eo akaikiny izany. Tsiahivina moa fa tafiditra ao anatin’ny 80 %-n’ireo hazo tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara ny hazotsifantatra.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT