kolontsaina

Hasin’ny Zazamanga Nisafidy ny hilofo amin’ny fampivoarana ny tantsaha


  • Zoma 26 Aprily 2024

Efa fanaon’ny fikambanana Hasin’ny Zazamanga ny asa sosialy sy fidinana ifotony ijerena ny fiainan’ireo tantsaha,

hoy ny filohan’ity fikambanana ity, Rakotondravao Sarobidy. Isany ny fidinana ao amin’ny kaominina Ambato, distrikan’Ambohidratrimo, hoy izy, izay sady hizarana fiofanana amin’ireo tantsaha ao an-toerana. Hikarakara hetsika eo amin’ny toerana fanaovam-baolina izahay ho fanamarihana ny fetin’ny asa na voalohan’ny volana may. Mendrika hankalaza ny 1 may ireo tantsaha satria isan’ny asa mahavelona ny fambolena sy fiompiana. Tantsaha ny 80%n’ny malagasy. Hatramin’izay dia ireo mpiasa birao sy mpiasam-panjakana no isan’ny tena mankalaza izany fetin’ny asa izany fa tamin’ity kosa izahay Zazamanga dia hitarika ireo tantsaha amin’ny fankalazana izany ihany koa. Ho ampahafantarina azy ireo fa asa mahavelona ny fambolena sy fiompiana ary antoky ny hoavin’ny taranaka fara-mandimby no ahafahana mamatsy ny any an-drenivohitra. Tanjona ny hampahafantatra ny tantsaha fa isan’ny asa mendrika io ataony io ka mila ampiroboroboana. Hisy mihitsy, araka izany, ny filaharana na «carnaval» hanehoana ny maha tantsaha sy ny hetsika maro samihafa mampiavaka ny tontolo ambanivohitra, toy ny vakodrazana sy hira gasy. Mitohy ireo tolon’ny sendika isan-karazany mba hahatongavana amin’ny hoe asa mendrika eto Madagasikara, araka ireny hitantsika amin’ny haino aman-jery ireny. Isan’ny mitotongana ny tontolon’ny asa eto Madagasikara ary tsy mifanaraka amin’ny vidim-piainana ny karama ankehitriny. Izahay dia nisafidy ny hilofo amin’ny fampivoarana ny tantsaha. Mila jerena manokana ny sosialin’izy ireo. Mangataka ny hijerena azy ireo manokana izahay ao anatin’izao andro iraisampirenena ho an’ny asa izao, indrindra, amin’ny fanampiana azy ireo amin’ny fananganana kaoperativa. Ny kaoperativa no ahafahana mampandroso ny fiainan’ireo tantsaha, indrindra, ny lafiny sosialy, ny fandraisana ny vokatr’izy ireo. Izay no hiangaviana ny fitondram-panjakana satria misy kaominina eto Madagasikara mbola tsy misy kaoperativa na iray aza ka tokony hampirisihina sy tohanana amin’ny fananganana izany ireo tantsaha ireo, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT