Harena voajanaharintsika any ivelany

Tsy mazava hatrany ny momba ireo fiarovana sy fanarenana


  • Alarobia 14 Mey 2025

Zaza no iantsoana ny fosa lahy 7 taona nalefa tsy ela avy eto Madagasikara nankany

amin’ny valan-javaboaharin’i San Diego, Etazonia, ary nalefa any amin’ny valan-javaboaharin’i Rochester, any Angletera mba akana taranaka amina fosa vavy efa tany efa elaela, izany hoe ny taona 2018. Ny fampiterahana tahaka izao dia tafiditra amin’ny tetikasa fiarovana ny zavaboary amin’ny ankapobeny ary fehezin’ny fifanarahana iraisampirenena, hoy ny fanazavana voaray. Tandidomin-doza be ny fosa ankehitriny ka hanaovana ezaka manokana hitandrovana azy tsy ho lany tamingana, raha ny fanazavana ihany. Tsy ny fosa ihany fa fantatra koa ankehitriny hoe ahiana ho lany tamingana toy izany ny karazana tana na «caméléon» malagasy, raha ny fampitam-baovaon’ny gazety siantifika Mongabay ny alatsinainy 12 may teo. Efa ela tsy hita ity karazana tana ity, raha ny fanazavana, no indro fa nipongatra tany amin’ny tampony atsimo andrefan’ny nosy indray. Ny taona 1970 no liana tamin’izy io farany ny siantsa. Mampametra-panontaniana hatrany ny tranga tahaka itony hoe hatraiza izany ny fahafahana sy fahaizan’ny fitondrana malagasy, indrindra, ny fahatokisany sy fanomezany toerana ireo manam-pahaizana malagasy amin’ny fiarovana ireo harem-pirenena voajanahary ireo? Ho feno 22 taona afaka 1 volana koa izao no nametrahana ny ampahan’ny valan-javaboaharin’i Masoala ao Zurich, Soisa. Novaina hoe «Masoala kely» moa ny anarany nanomboka ny taona 2023. Velaran-tany mirefy 11.000 m2 be izao, ahitana karazan-kazo miisa 17.000, karazam-biby 450 ary karazam-biby manana taolan-damosina na «vertébrés» miisa 50 izany toerana izany. Tena mety amin’ireo voahary malagasy ireo ve ny toe-tany sy toetr’andro any Eoropa any sa izay sanatria lavo sy lozotra dia soloina aty hatrany? Hita ho tsy mazava hatrany, araka izany, ity resaka fanarenana harena voajanahary malagasy any ivelany ity.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

  • Mpanakanto Shyn
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

"Mbola tsy hita ny hazavana"

  • Famelomana ireo tantara
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

an-tsary fahiny

  • Fanavaozana ny Firenena
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

« Mila mifaka amin’ny «

Hijery ny tohiny
FTT