kolontsaina

Harem-bakoka tany Londres Voatolotra sy napetraka eny amin’ny Rova


  • Alakamisy 24 Desambra 2020

Lanonana tsotra no nanolorana sy nametrahana teny amin’ny Rova ny harem-

 

 

bakoka azo tamin'ny lavanty natao tany Londres Angleterre ny 8 desambra 2020 lasa teo. Nitarika izany omaly ny Minisitry ny Serasera sy Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo, notronin'ny Minisitry ny raharaham-bahiny, niaraka tamin'ny Talen'ny Kabinetra eo anivon'ny Fiadidiana ny Repoblika. Teo ihany koa ireo fianakavian'ny Mpanjaka Ranavalona III sy ny Praiminisitra Rainilaiarivony. Fiaraha-miasa tamina departemanta maromaro no nahafahana nampody ireo harena ireo, ka nitarika izany ny Filoha Andry Rajoelina. 250 mahery ny fitambaran'ireo zavatra tao anatin'ilay fehezan'entana mahakasika ny mpanjaka Ranavalona III no hita tao anatiny, ankoatra ilay akanjo vilory, sary isan-karazany, carte postale, gazety, antontan-taratasy samihafa. Tsy nampandroso antsika hatramin'izay, hoy ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, ny tsy fisian'ny fiorenam-paka tsara, ary lesoka nanantsika ihany koa ny fahavitsian'ny harena ara-tantara teto amin'ny firenena. Ao anatin'ny ezaka ataon'ny fanjakana amin'izao ny fanangonana ireo vakoka Malagasy izay mbola tavela any ivelany kanefa mifono tantara. Ankoatra izay, raha novinavinaina fa hosokafana mialohan'ny fetin'ny krismasy, ho afaka tsidihin'ny be sy ny maro ny Rova, dia voatery tsy maintsy ahemotra herinandro vitsivitsy izany noho ny fandaminana samihafa izay tsy maintsy tanterahina amin'ireto harem-bakoka vaovao ireto, hoy ny fampahafantarana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT