kolontsaina

Harambaton-kevitra ho an’ny faha 60 taona Nandinika momba ny doro-tanety sy fandrobana harem-pirenena


  • Talata 08 Desambra 2020

Nitohy ny sabotsy teo tetsy amin’ny Arrupe Faravohitra ny harambaton-kevitra ho

 

 

an’ny faha 60 taona, izay tarihin’ny hetsika Kristianina HFKF. Ny mikasika ny doro-tanety sy ny fandrobana ny harem-pirenena indray no nodinihina tamin’ity indray mitoraka ity, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra, Aristide Razafindramaro. Nisy ny famelabelaran’ny manampahaizana momba ny anton’izany moa nialohan’ny fifanakalozan-kevitra. Ny 21 oktobra moa no nanombohana ity hetsika ity ary ny 12 desambra kosa no hifaranany. Hisy fehin-kevitra hivoaka, araka izany, aorian’izay ary iny no entina handresana lahatra ny mpisehatra rehetra amin’ny raharaham-pirenena. Ho zaraina amin’ny olon-drehetra avy eo izany ahafahan’ny tsirairay mandray ny andraikitra tandrify azy, hoy hatrany ny fanazavana.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT