kolontsaina

Hanitra Andriamboavonjy « Zava-dehibe ny naha lasa vakoka iraisam-pirenena ny kabary »


  • Alakamisy 30 Desambra 2021

Tamin’ny 15 Desambra lasa teo raha tsiahivina no nambara ho ren-tany ho ren-danitra fa nekena ho vaoka iraisam-pirenena ny Kabary Malagasy niarahana tamin’ny UNESCO sy ny Ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina.

Tena zava-dehibe ho an’ny FIMPIMA na ny FIkambanan’ny MPIkabary Malagasy izany raha araka ny fanazavan-dRtoa Hanitra Andriamboavonjy filohany. Efa 58 taona mantsy izao ny FIMPIMA raha araka ny fanazavana nomeny ary nisy hatrany ny ezaka notanterahina tao anatin’izay fotoana lavabe izay nanomezana hasina sy nanandratana ny kabary Malagasy. Anisan’ny nosinganiny manokana ny fanaovana ilay hetsika saina kabary isan-kerinandro, ny namana ao amin’ny internet amin’ny alalan’ny fianarana kabary nanomboka tamin’ny taona 2014, ny takalo dinika amorom-patana izay niarahan’ny mpikambana hatrany….Nody venty ny rano natsakaina hoy hatrany izy, hetsika izay manana tanjona hanandratra sy hanome hasina hatrany ny kabary Malagasy. Notsiahiviny manokana moa fa efa misy manerana ny firenena 12 manerantany ny FIMPIMA amin’izao. Tena tsy atahorana ny fiparitahan’ny kabary Malagasy hoy izy fa vao mainka tena arofanina ho azy aza izany. Ho an’ireo ankizy monina sy mianatra any ivelany ohatra dia tsy maintsy hampianarina teny Malagasy izy ireny vao mahay mikabary, ezaka izay mbola entina hanandratra ny maha-Malagasy hatrany.
Pati
Legende : Hanitra Andriamboavonjy, filohan’ny FIMPIMA !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT